<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ch. Rasoanaivo</author>
<title>Manatòna, ry mpanota FFPM368</title>
<lyrics>[V1]
 Manatòna ry mpanota
 Ory, jamba, very koa !
 Hianao simban'ny ota,
 Indro, ao ny Tompo soa
 Ry tsy mendrika hovonjena,
 Misy izay miantra anao ;
 Fifaliam-be homena,
 Famelana helokao.

[V2]
 Mba henoy ny teny tsara
 Izay lazaina aminao,
 Sao very ny anjara
 Soa tadiavinao ;
 Feno antra, manan-kery,
 Jeso no mitaona anao,
 Ka ny mino tsy ho very,
 Manatòna re izao.

[V3]
 Ny miato tsy mba tsara,
 Ny halainanao ario ;
 Sao helohin'ny Mpitsara,
 Manatòna re anio ;
 He ! miandry ny Mpamonjy,
 Mba faingana hianao ;
 Raha te ho voavonjy,
 Aza ela hianao.</lyrics>
<hymn_number>368</hymn_number>
</song>